LITORJIA B
Feon’orga
Antoko Mpihira
FIFAMPIARAHABANA - FIANTSOANA
Hira
Vavaka fihaonana Feon-java-maneno fohy
VAVAKA FIFONANA SY FIAIKEN-KELOKA FIAIKEN-KELOKA
Mpitarika: (Vavaka)
Fiangonana :
"RY RAINAY BE FAMINDRAM-PO Ô, MITALAHO AMINAO IZAHAY ; MAMELÀ NY HELOKAY ;DIOVY IZAHAY HO AFA-PAHOTANA ; SASAO IZAHAY HO AFA-KELOKA ; ARY HAVAOZY NY FANAHINAY MBA HO VONON-KANOMPO ANAO. NY FITIAVAN’I JESOSY KRISTY ZANAKAO MPAMONJY ANAY NO ANGATAHANAY AMINAO". AMENA
- Hira : Ry Andriamanitra Tompo Ray any an-danitra ô, mamindrà fo aminay ! Ry Jesosy Tompo Mpamonjy izao tontolo izao, mamindrà fo aminay ! Ry Fanahy Masina Tomponay Mpampionona ô, mamindrà fo aminay !
Mpitarika : (Teny famelan-keloka) SITRAPON’ANDRIAMANITRA
Mpitarika : Ary satria efa navelan’Andriamanitra heloka isika, dia afaka mandray ny sitrapony tiany hotanterahintsika amin’ny fanarahana Azy. Henoy, ry havana malala, ny teny manambara izany amintsika
Fiangonana:
Amena s:-!m:d /f :m!r:d/r :-!d:-/
FANKALAZANA
Mpitarika: VONINAHITRA ANY AMIN’NY AVO INDRINDRA HO AN’ANDRIAMANITRA
Fiangonana : ARY FIADANANA HO ETY AMBONIN’NY TANY AMIN’NY OLONA ANKASITRAHANY. FIANGONANA: FANOLORANA FIADANANA
- Feon-java – maneno fohy
SORATRA MASINA
Mpitarika : Efa namela heloka antsika Andriamanitra noho ny fahasoavany. Ankehitriny Izy dia hizara ny teniny amintsika. Noho izany, hanatona Azy amin’ny fifaliana isika handre ny teniny.
FAMAKIANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA –
Hira :
Mpitarika : Fiangonana: Mpitarika :
HO AMINAREO ANIE NY TOMPO
ARY HO AMIN’NY FANAHINAO
Vavaka noho ny Teny
TESTAMENTA TALOHA
EPISTILY :
FILAZANTSARA :
Fiangonana : ISAORANA ANIE NY TOMPO NOHO NY FILAZANTSARA ! FANEKEM-PINOANA
Hira : TORITENY Feon’orgaAntoko Mpihira
Filazan-draharaha
RAKITRA
Hira
Hira fanolorana
Ry Tompon’ny harena ô,
Fanatitra an-tsitrapo
Atolotray Anao izao ;
Mba raiso ka tahionao. Amena.
FANDRAISANA FANASAN’NY TOMPO
Hira :
Mpitarika : HO AMINAREO ANIE NY TOMPO ! AOKA HIZARA NY FIADANANA ISIKA Fiangonana : HO AMINAO ANIE NY TOMPO ! ARY HO AMINAO KOA Sursum Corda (Mitsangana)
Mpitarika : ASANDRATO NY FONAREO HO EO AMIN’NY TOMPO
Fiangonana : ASANDRATRAY NY FONAY HO EO AMIN’NY TOMPO Mpitarika : AOKA HO DERAINTSIKA NY TOMPO ANDRIAMANITRA
Fiangonana : MENDRIKA HO DERAINA IZY
Préface (Mitsangana)
Mpitarika : ENY TOKOA TOMPO Ô, RAY MASINA, ANDRIAMANITRA MANDRAKIZAY, MAHEFA NY ZAVATRA REHETRA, METY SY MAHAVONJY NY ISAORANAY ANAO AMIN’NY FOTOANA REHETRA SY AMIN’NY TOERANA REHETRA AMIN’NY ALALAN’I JESOA KRISTY TOMPONAY,IZAY TIA ANAY SY NANOLO-TENA HAMONJY ANAY ; AMIN’NY ALALANY KOA NO IDERAN’NY ANJELY NY FIANDRIANANAO SY ITSAOHAN’NY FANAPAHANA SY NY FAHEFANA REHETRA ANAO AMIN’NY TAHOTRA ARY IARAHAN’NY FIANGONANA ANY AN-DANITRA SY ETY AN-TANY MIDERA NY ANARANAO
AMIN’NY FIHOBIANA ARY IZAHAY KOA ANKEHITRINY MIARA-MANANDRATRA NY FEONAY AMINY, KA AMIN’NY FANAJANA LEHIBE NO IDERANAY HOE :
Hira : Antema 1 ( Sanctus )
Masina ! Masina ! Masina Jehovah Tompo ! Feno ny voninahitrao izao rehetra
izao ry Tompo ô ! Amena
Vavaka ( Fisaorana, Anamnèse, Epiclèse ) (Mipetraka)
Mpitarika : RY KRISTIANA MALALA, AOKA ISIKA HAHATSIARO AN’I JESOA KRISTY IZAY MATY NISOLO ANTSIKA SY NITSANGANA HO FANAMARINANA ANTSIKA,DIA FANATI-PIHAVANANA NATOLOTR’ANDRIAMANITRA ANTSIKA, ARY AOKA ISIKA HIARA-MISAOTRA SY HIVAVAKA :
MISAOTRA ANAO IZAHAY ANDRIAMANITRARAINAY, TOMPON’NY LANITRA SY NY TANY, FA NOHO NY FAMINDRAM- PONAO AMINAY MPANOTA MAHANTRA, DIA NOMENAO NY ZANAKAOLAHY TOKANA, MBA TSY HO VERY IZAY REHETRA MINO AZY FA HANANA FIAINANA MANDRAKIZAY.
TENY FANORENANA -INSTITUTION–
Mpitarika :
« JESOA KRISTY TOMPONTSIKA, TAMIN’INY ALINA INY IZAY NAMADIHANA AZY DIA NANDRAY MOFO, ARY REHEFA NISAOTRA IZY DIA NOVAKINY, KA HOY IZY : ITY NO TENAKO HO ANAREO ; IZAO NO ATAOVY HO FAHATSIAROVANA AHY. DIA ARAKA IZANY KOA NY KAPOAKA, REHEFA NIHINANA, DIA HOY IZY : ITY KAPOAKA ITY NOILAY FANEKENA VAOVAO AMIN’NY RAKO ; IZAO NO ATAOVY HO FAHATSIAROVANA AHY, NA OVIANA NA OVIANA NO MISOTRO IANAREO. FA NA OVIANA NA OVIANA IANAREO NO MIHINANA ITONY MOFO ITONY SY MISOTRO AMIN’NY KAPOAKA, DIA MANAMBARA NY FAHAFATESAN’NY TOMPO IANAREO MANDRA-PIHAVINY.»
VAVAKA FAHATSIAROVANA -ANAMNESE - ( mipetraka )
Misaotra Anao izahay Andriamanitra Rainay, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa noho ny famindramponao aminay mpanota mahantra dia nomenao ny Zanakao Lahitokana mba tsy ho faty izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay. Ankehitriny, Rainay any an- danitra ô, indreto izahay manao eto anatrehanao ny fahatsiarovana ny fahatongavan’ny Zanakao ho olona, ny fijaliany sy ny fahafatesany, ny fitsanganany tamin’ny maty, ary ny fifonany mandrakizay ho anay. Miandry sy mitalaho ny fiverenany indray izahay.
Fahanginana
VAVAKA FANGATAHANA NY FANAHY MASINA - EPICLÈSE -
Mpitarika : Ankehitriny Ray ô, aidino ny Fanahy Masina mba hameno ny fonay, ka handraisanay ny Tomponay amin’ny finoana velona, amin’izao Izy manatona anay amin’ny alalan’izao Fanasana izao. Fa ny Fanahinao Masina no aharianao, anamasinanao ary anomezanao anay ny zava-tsoa rehetra. Ho tsapanay tokoa anie ny fanatrehanao, ka tsy izahay intsony no ho velona fa Ianao no ho velona ao anatinay. Koa ny fiarahanay mandray amin’ny Tena sy ny Ranao hanalalina ny firaisanay amin’ny Tenanao, dia ny Fiangonana, mandram-pihavin’ny andro hiarahanay misotro sy mihinana izay vaovao rehefa mby ao amin’ny fanjakanao
Fiangonana : RY JESOA KRISTY TOMPO Ô / IZAHAY IZAY TONGA ETO ANATREHANAO/ HIOMBONA AMIN’NY LATABATRAO MASINA/ DIA MANGATAKA MBA HAMPIRAISINAO AMINAO/ TAHAKA NY SAMPANA AMIN’NY VOALOBOKA./ AMPIANARO HIFANKANTIA IZAHAY/ TAHAKA NY NITIAVANAO ANAY / AOKA IZAHAY HIARA- MANANA/ AMIN’NY FIANGONANA MASINA MANONTOLO/ NY FIONONANA SY FIFALIANA AMINAO/ DIA IANAO IZAY MIARA-MANJAKA AMIN’NY RAY/ SY NY FANAHY MASINA HATRAMIN’NY TALOHA INDRINDRA/ KA HO MANDRAKIZAY/ AMEN.
Hira : 117 (Agnus Dei)
Mpitarika
EFA NANDRAY NY FANAHY MAHA-ZANAK’ANDRIAMANITRA ANTSIKA ISIKA, KOA IZANY NO HAHAFAHANTSIKA MANATONA NY RAY, HOE
Fiangonana (Vavaka nampianarin’ny Tompo)
Mpitarika :
NY MOFO IZAY VAKIANTSIKA DIA FIRAISANA AMIN’NY TENAN’IJESO KRISTY TOMPONTSIKA.NY KAPOAKY NYFISAORANA IZAY ISAORANTSIKA DIA FIRAISANA AMIN’NY RAN’I JESO KRISTY TOMPONTSIKA. HOY NY TOMPO: ANDEHA, EFA VOAVOTRA AVOKOA NY ZAVATRA REHETRA !
FANASANA
Hira fanatonana :
FANDRAISANA - COMMUNION –
Hoy Jesoa Kristy Tompo : Raiso, hano, ity no tenako. Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. Hoy Jesoa Kristy Tompo : Sotroinareo rehetra ity, fa ity no rako, dia ny amin’ny Fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny maro ho famelankeloka. Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.
TENY FAMPAHEREZANA - EXHORTATION –
JESOA KRISTY TOMPONTSIKA IZAY VOAHOMBO TAMIN’NY HAZOFIJALIANA KA NITSANGANA TAMIN’NY MATY, NO EFA NANOME HO ANAREO NY TENANY SY NY RANY IZAY NANAVOTANY ANAREO TAMIN’NY FAHOTANA REHETRA. IZY ANIE NO HAMPAHERY SY HIARO ANAREO AMIN’NY FINOANA MARINA HO FIAINANA MANDRAKIZAY. HO AMINAREO ANIE NY FIADANANA.
FIANGONANA : AMENA
Hira ( fiverenana ) 266 na 146 Vavaka Fisaorana sy Fangatahana
HAFATRA SY TSODRANO
Mpitarika : HO AMINAREO ANIE NY TOMPO. Fiangonana : ARY HO AMIN’NY FANAHINAO.
Mpitarika: Tsodrano
Fiangonana : AMENA ! AMENA ! AMENA ! HALELOIA !
- Hira :
Mpitarika
VONINAHITRA HO AN’ANDRIAMANITRA RAY SY ZANAKA ARY FANAHY MASINA IZAY HATRAMIN’NY TALOHA INDRINDRA KA HO MANDRAKIZAY. AMENA. MANDEHANA AMIN’NY FIADANANA, KA MANOMPOA NY TOMPO!
Fiangonana : ISAORANA ANIE ANDRIAMANITRA !
Feon’orga firavana