LITORJIA A
Feon’orga
Antoko Mpihira
FANDRAISANA SY FIARAHABANA APOSTOLIKA (ACCUEIL ET SALUTATION APOSTOLIQUE)
SALAMO
Hira
Vavaka fihaonana
Feon'orga
SITRAPON’ANDRIAMANITRA FIAIKEN-KELOKA
Mpitarika: (Vavaka)
Fiangonana :
"RY RAINAY BE FAMINDRAM-PO Ô, MITALAHO AMINAO IZAHAY ; MAMELÀ NY HELOKAY ;DIOVY IZAHAY HO AFA-PAHOTANA ; SASAO IZAHAY HO AFA-KELOKA ; ARY HAVAOZY NY FANAHINAY MBA HO VONON-KANOMPO ANAO. NY FITIAVAN’I JESOSY KRISTY ZANAKAO MPAMONJY ANAY NO ANGATAHANAY AMINAO". AMENA
- Hira : Ry Andriamanitra Tompo Ray any an-danitra ô, mamindrà fo aminay ! Ry Jesosy Tompo Mpamonjy izao tontolo izao, mamindrà fo aminay ! Ry Fanahy Masina Tomponay Mpampionona ô, mamindrà fo aminay !
TENY FAMELAN-KELOKA SY FIHAVANANA
Mpitarika : (Teny famelan-keloka)
Fiangonana : AMEN
FANKALAZANA
Mpitarika : VONINAHITRA ANY AMIN’NY AVO INDRINDRA HO AN’ANDRIAMANITRA
Fiangonana : ARY FIADANANA HO ETY AMBONIN’NY TANY AMIN’NY OLONA ANKASITRAHANY. FIANGONANA :FANOLORANAFIADANANA(RAHATSYMISYFANDRAISANA)
FAMAKIANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA - Hira :
Mpitarika : Vavaka noho ny Teny TESTAMENTA TALOHA
EPISTILY :
FILAZANTSARA :
Fiangonana : ISAORANA ANIE NYTOMPO NOHO NY FILAZANTSARA !
NA RAY MASINA O
Hira:
TORITENY Feon’orga fohy Antoko Mpihira
FANEKEM-PINOANA
Filazan-draharaha
RAKITRA
Hira
Hira fanolorana
Ry Tompon’ny harena ô,
(na Hira hafa).
Vavaka fisaorana sy fangatahana + Rainay izay any an-danitra. HIRA
HAFATRA TSODRANO
Mpitarika : HO AMINAREO ANIE NY TOMPO. Fiangonana : ARY HO AMIN’NY FANAHINAO.
Mpitarika: Tsodrano
Fiangonana : AMENA ! AMENA ! AMENA ! HALELOIA !
- Hira :
Mpitarika
VONINAHITRA HO AN’ANDRIAMANITRA RAY SY ZANAKA ARY FANAHY MASINA IZAY HATRAMIN’NY TALOHA INDRINDRA KA HO MANDRAKIZAY. AMENA. MANDEHANA AMIN’NY FIADANANA, KA MANOMPOA NY TOMPO ! Fiangonana : ISAORANA ANIE ANDRIAMANITRA !
Feon’orga firavana
Alahady misy fandraisana
FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
- Hira :
Mpitarika : HO AMINAREO ANIE NY TOMPO ! AOKA HIZARA NY FIADANANA ISIKA Fiangonana : - HO AMINAO ANIE NY TOMPO ! ARY HO AMINAO KOA Sursum Corda (Mitsangana)
Mpitarika : Fiangonana: Mpitarika : Fiangonana :
ASANDRATO NY FONAREO HO EO AMIN’NY TOMPO
ASANDRATRAY NY FONAY HO EO AMIN’NY TOMPO
AOKA HO DERAINTSIKA NY TOMPO ANDRIAMANITRA
MENDRIKA HO DERAINA IZY
Préface (Mitsangana)
Mpitarika : ENY TOKOA TOMPO Ô, RAY MASINA, ANDRIAMANITRA MANDRAKIZAY, MAHEFA NY ZAVATRA REHETRA, METY SY MAHAVONJY NY ISAORANAY ANAO AMIN’NY FOTOANA REHETRA SY AMIN’NY TOERANA REHETRA AMIN’NY ALALAN’I JESOA KRISTY TOMPONAY,IZAY TIA ANAY SY NANOLO-TENA HAMONJY ANAY ; AMIN’NY ALALANY KOA NO IDERAN’NY ANJELY NY FIANDRIANANAO SY ITSAOHAN’NY FANAPAHANA SY NY FAHEFANA REHETRA ANAO AMIN’NY TAHOTRA ARY IARAHAN’NY FIANGONANA ANY AN-DANITRA SY ETY AN-TANY MIDERA NY ANARANAO AMIN’NY FIHOBIANA ARY IZAHAY KOA ANKEHITRINY MIARA-MANANDRATRA NY FEONAY AMINY, KA AMIN’NY FANAJANA LEHIBE NO IDERANAY HOE :
Hira : Antema 1 ( Sanctus )
Masina ! Masina ! Masina Jehovah Tompo ! Feno ny voninahitrao izao rehetra
izao ry Tompo ô ! Amena
Vavaka ( Fisaorana, Anamnèse, Epiclèse ) (Mipetraka)
Mpitarika : RY KRISTIANA MALALA, AOKA ISIKA HAHATSIARO AN’I JESOA KRISTY IZAY MATY NISOLO ANTSIKA SY NITSANGANA HO FANAMARINANA ANTSIKA,DIA FANATI-PIHAVANANA NATOLOTR’ANDRIAMANITRA ANTSIKA, ARY AOKA ISIKA HIARA-MISAOTRA SY HIVAVAKA :
MISAOTRA ANAO IZAHAY ANDRIAMANITRARAINAY, TOMPON’NY LANITRA SY NY TANY, FA NOHO NY FAMINDRAM- PONAO AMINAY MPANOTA MAHANTRA, DIA NOMENAO NY ZANAKAOLAHY TOKANA, MBA TSY HO VERY IZAY REHETRA MINO AZY FA HANANA FIAINANA MANDRAKIZAY.
Fiangonana: EFA MATY KRISTY, EFA NITSANGANA KRISTY ARY HO AVY AMIMBONINAHITRA.
Mpitarika : NOHO IZANY RY TOMPO, RAINAY ANY AN-DANITRA O, INDRETO IZAHAY MANAO ETO ANATREHANAO NY fahatsiarovana ny fahatongavan’ny Zanakao ho olona, ny fijaliany sy ny fahafatesany, ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fiakarany tamim-boninahitra sy ny fifonany mandrakizay ho anay, ka miandry sy mitalaho ny fiverenany izahay.
Fiangonana :AMENA, AVIA JESOA TOMPO !
Mpitarika : ANKEHITRINY, RAY O, AIDINO NY FANAHY MASINA MBA HAMENO NY FONAY KA HANDRAISANAY TOKOA NY Tomponay amin’ny finoana velona amin’izao izy manatona anay amin’izao fanasana izao. Fa ny Fanahy Masina no aharianao, amelomanao, anamasinanao ary anomezanao anay ny zava-tsoa rehetra.
Fiangonana : AMENA, AVIA FANAHY MASINA !
Mpitarika : MISAOTRA ANAO IZAHAY RY JESO KRISTY TOMPO Ô ! MIDERA NY ANARANAO IZAHAY RY ZANAK’ANDRIAMANITRA LAHY TOKANA MPAMONJY ANAY ! ANKALAZAINA ANIE HIANAO NOHO NY FITIAVANAO IZAY MAHERY NOHO NY FAHAFATESANA. ARY IZAHAY IZAY TONGA ETO ANATREHANAO HIOMBONA AMIN’NY LATABATRAO DIA MANGATAKA MBA HAMPIRAISONAO AMINAO, OHATRIN’NY SAMPANA AMIN’NY VOALOBOKA. AMPIANARO HIFANKATIA TAHAKA NY NITIAVANAO ANAY IZAHAY,ARY AOKA IZAHAY HIARA-MANANA AMIN’NY FIANGONANA MASINA MANONTOLO NY FIONONANA SY NY FIFALIANA AMINAO, DIAHIANAO IZAY MIARA-MANJAKA AMIN’NYRAY SY NY FANAHY MASINA HATRAMIN’NY TALOHA INDRINDRA KA HO MANDRAKIZAY.
Fiangonana : AMENA !
- Teny Fanorenana sy Fanamasinana (Mitsangana)
Mpitarika : JESO KRISTY TOMPO TAMIN’NY ALINA IZAY NAMADIHANA AZY DIA NANDRAY NY MOFO, ARY REHEFA NISAOTRAIZY DIA NOVAKIANY KA HOY IZY : « RAISO, HANO, ITY NY TENAKO IZAY OMENA HO ANAREO, IZAO NO ATAOVY HO FAHATSIAROVANA AHY. » ARY TOY IZANY KOA NY KAPOAKA REHEFA NIHINANA, DIA HOY IZY: « MISOTROA AMIN’ITY HIANAREO REHETRA, FA ITY NO RAKO DIA NY AMIN’NY FANEKENA VAOVAO IZAY ALATSAKA HO AN’NY REHETRA HO FAMELAN-KELOKA. KOA NA OVIANA NA OVIANA NO MISOTRO HIANAREO, DIA IZAO NO ATAOVY HO FAHATSIAROVANA AHY. »
MISAOTRA NY RAY, IZAY NAMPAHAMENDRIKA ANTSIKA HANANA ANJARA AMIN’NY LOVAN’NY OLONA MASINA EO AMIN’NY MAZAVA. AMENA.
- Hira : 117 (Agnus Dei)
Mpitarika
EFA NANDRAY NY FANAHY MAHA-ZANAK’ANDRIAMANITRA ANTSIKA ISIKA, KOA IZANY NO HAHAFAHANTSIKA MANATONA NY RAY, HOE
Fiangonana (Vavaka nampianarin’ny Tompo)
Mpitarika :
NY MOFO IZAY VAKIANTSIKA DIA FIRAISANA AMIN’NY TENAN’IJESO KRISTY TOMPONTSIKA.NY KAPOAKY NYFISAORANA IZAY ISAORANTSIKA DIA FIRAISANA AMIN’NY RAN’I JESO KRISTY TOMPONTSIKA. HOY NY TOMPO: ANDEHA, EFA VOAVOTRA AVOKOA NY ZAVATRA REHETRA !
Fandraisana:
TENY FAMPAHEREZANA (mitsangana)
Mpitarika : JESO KRISTY TOMPONTSIKA IZAY VOAHOMBO TAMIN’NY HAZO FIJALIANA KA NITSANGANA TAMIN’NY MATY NO EFA NANOME ANAREO NY TENANY SY NY RANY IZAY NANAVOTANY ANAREO TAMIN’NY FAHOTANA REHETRA, IZY ANIE HAMPAHERY SY HIARO ANAREO AMIN’IZANY AMIN’NY FINOANA MARINA HO FAHASAMBARANA MANDRAKIZAY. HO AMINAREO ANIE NY FIADANANA !
Fiangonana : AMENA
Hira : 266 (« Ry Jeso Tompo, Hianao ») Vavaka fisaorana sy fangatahana
HIRA
HAFATRA TSODRANO
Mpitarika : HO AMINAREO ANIE NY TOMPO. Fiangonana : ARY HO AMIN’NY FANAHINAO.
Mpitarika: Tsodrano
Fiangonana : AMENA ! AMENA ! AMENA ! HALELOIA !
- Hira :
Mpitarika
VONINAHITRA HO AN’ANDRIAMANITRA RAY SY ZANAKA ARY FANAHY MASINA IZAY HATRAMIN’NY TALOHA INDRINDRA KA HO MANDRAKIZAY. AMENA. MANDEHANA AMIN’NY FIADANANA, KA MANOMPOA NY TOMPO! Fiangonana : ISAORANA ANIE ANDRIAMANITRA !
Feon’orga firavana