veillee

Vao nanomboka ny fihobohona (na ny confinement) dia anisan'ireo zavatra masaka tato am-pon'ny mpiandraikitra voalohany indrindra ny nampijoro ny fiaraha-mivavaka isam-pianakaviana. Tafiditra aoanatin'ny atao hoe "Finakaviana Manao Asa Misiona" na "Famille en Mission". Misaotra ny Tompo fa mbola mitohy izany hatramin'izaoaryefatafiditraaoanatin'nyfiainam-pianakaviana maro.

Noho izany dia mety ny hanazavana fohifohy eto ny fanahin'ity fiaraha mivavaka ity, ny zava-kendreny ary ny fomba arahina amin'ny fanatanterahana izany.

Ny Fanahin'ny fiaraha-mivavaka:

Ny tenin'Andriamanitra afakahanazavantsika ny fanahin'ity fiaraha-mivavaka ity dia izay hitantsika ao amin'ny Joba 22.21: "Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao".

Teny nataon'i Elifaza ho an'i Joba izany. Na dia marina aza ny teny dia tsy Joba no tokony ho niantefan'izany fa ny olona toa antsika izao. Inona no anton'ny antso mba hifankazatra amin'Andriamanitra? Mba ho akaiky azy? Satria tsy mandehaho azy eo amin'ny fiainan'ny zanak'olombeno na izany mifandray amin'Andriamanitra izany. Ny manome tsiny an'Andriamanitra na mitady vaha olana any amin'ny toeran-kafa no mahavantana antsika rehefa misy manahirana.

Izay olona mifankazatra amin'Andriamanitra dia hahay matoky azy sy mametraka eo aminy ny zavatra rehetra . Noho izany diahiadana ary ho feno fitahiana.

Noho izany ry havana ny fiaraha-mivavaka izay ataontsika isan'andro dia natao mba hifankazarantsika amin'Andrimanitra Ray sy Jeso Kristy Mpamonjy antsika....

Ny kendren'ny fiaraha-mivavaka:

Zavatra efatra farafahakeliny eto no ahafahantsika mifankazatra amin'ny Tsitoha:

Ny hira iraisan'ny fianakaviana, nyTenin'Andriamanitra vakiana, nyTenin'Andriamanitra hazavaina ary ny vavaka isam-pianakaviana.

Tsara marihina ry havana fa na dia mifamatotra aza ny Teny vakiana sy ny Teny hazavaina dia samy mananany hanitra ho azy ireo. Ny fihainoanany teny vakina dia efa mampiray antsika amin'Andriamanitra. Ary amin'ny Teny hazavaina kosa dia mbola afaka miteny aminao ihany 

Andriamanitra amin'ny alalan'ilay mpanompo manazava ny teny.

Mora ny mihira rehefa miaraka marobe ao am-piangonana isika. Fa sarotra ny mihira irery indrindra moa fa raha ianareo mivady irery no ao an-trano. Fandresena eo anatrehan'andriamanitra ny ahafahantsika manao ireo rehetra ireo eo anivon'ny tokatranon-tsika ry havana.

Tsy vitan'izany fa ny Teny izay ianarantsika isan-kerin'andro dia fandaharana mitohy. Tsy natao ahazoantsika aim-panahy fotsiny, fa natao koa ianarantsika ny Tenin'Andriamininatra sy hananantsika kolon-tsaina ara- tSoratra Masina.

Fomba arahina amin'ny fanatanterahina ny fiaraha-mivavaka:

- Boky iray raha tsy dia lava loatra no iarahantsika mandinika isan- kerinandro. Ary isam-bolana raha lava loatra.

- Ny Teny avy ao amin'ny Soratra Masina voalahatra hodinihina dia ho zarain'ny mpampianatra telo na efatra. Ho hazavainy misesy izany ary elanelaniny hira sy vavaka ataon'ny isam-pianakaviana.

Fotoana:

Isan'andro amin'ny 4 ora tolakandro sy amin'ny 7 ora hariva ao amin'ny Radio Anjomara sy Radio Vatsy.

 

 

 

 

 

Pin It

Eglise Protestante Malgache en France. Siège National, Maison du Protestantisme  47 rue de Clichy 75009 Paris

A LA UNE

L'événement « Pasteur Parle Nous de ... » est de ret...

...

  Téléchargez gratuitement l'Application FPMA F...

LA FPMA

Président :  Dr Seth Rasolondraibe Vice-présiden...

La FPMA a comme orientation théologique « une commun...

  L’Église Protestante Malgache en France ou «...

1946 – Création de la première Eglise Protestant...

NEWSLETTERS FPMA

Inscrivez-vous ici si vous souhaitez recevoir les newsletters de la FPMA